- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadikely : Fivarotavana voatafika, lasa ny vola an-tapitrisany

Ankadikely : Fivarotavana voatafika, lasa ny vola an-tapitrisany

Na dia nirefodrefotra aza ny basy, tsy nisy naninona ireo lasibatra tamin’ny fanafihana nitranga tao Antanetibe Ankadikely, ny harivan’ny talata lasa teo.

Isan’ny toerana be olona raha iny kaominina Ankadikely iny, indrindra fa rehefa hariva ny andro. Tsy nahasakana ireo andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana, tsy hanao ny asa ratsiny anefa izany. Azo lazaina tokoa mantsy fa ao anatin’ny fotoana fodian’ireo mpiasa sy mpianatra mihitsy ny amin’ny enina ora hariva ary amin’ny fotoana mahabe ireo mpandalo sy mampandeha ny varotra ihany koa. Tamin’izany fotoana izany indrindra no nanararaotan’ireo telolahy mirongo basy nanafika fivarotana iray teny an-toerana. Nentin’izy ireo nanaparitahana ireo olona dia narefodrefotr’izy ireo ny basy, tamin’ny alalan’ny tifi-danitra. Nony niparitaka ireo mponina izay samy niolomay nanavotra ny ainy dia nanao ny ataony amin’izay izy ireo. Nentin’ny tahotra ny tompon’ny fivarotana ka tsy afa-nanao n’inona n’inona fa dia nanaiky mora izay rehetra nangatahin’ireo mpanafika. Vola aman-tapitrisany, izay tao amin’ity fivarotana ity no norombahin’ireto olon-dratsy, ary nitsoaka izy ireo nony avy eo. Fitsoahana izay mbola narahina poa-basy hatrany. Na izany aza anefa dia tsy nisy naratra na ny aina nafoy nandritra izany fanafihana izany. Teo ho no eo ihany moa dia nampandrenesina ny zandary izay misahana iny faritra iny ary avy hatrany dia nandray ny andraikiny, nanenjika ireo olon-dratsy.  Efa samy nampilazana ihany koa ireo tobin’ny zandary amin’ny faritra manodidina ny amin’ny fisian’ireo jiolahy nitsoaka nitondra vola ireo. Hatreto raha ny tati-baovao azo dia mbola manohy ny fikarohana ireto mpanafika ireto ny eo anivon’ny zandary misahana izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici