- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAnkadikely Ilafy : Cash point voatafika, maty voatifitry ilay tompony

Ankadikely Ilafy : Cash point voatafika, maty voatifitry ilay tompony

Nirefodrefotra ny basy teny amin’iny faritra Ankadikely Ilafy iny, ny harivan’ny alahady lasa teo. “Cash point” iray teny an-toerana indray no lasibatry ny andian-jiolahy nitam-basy tamin’izay fotoana izay. Maty vokatry ny tifitra nataon’ireo jiolahy ny tompon’izany toerana izany.

 Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany mahery teo no ho eo no nitranga ity fanafihana ity, araka ny angom-baovao azo teny an-toerana, tsy lavitra akory ny tsena sy ny tobim-piantsonan’ny taxibe eny an-toerana. Telo lahy ireo jiolahy, izay tsy nisaron-tava akory no tonga teo amin’ilay toerana tamin’io fotoana io. Nandrahona avy hatrany ilay lehilahy tao amin’ilay toerana fakàna sy fandefasana vola. Mbola maro olona nifanaretsaka teny an-toerana tamin’izay fotoana izay ka raha vao nahita ny zava-niseho dia samy niezaka nanao izay ho afany, hanavotra ity toerana voatafika ity. Tamin’io fotoana io anefa no tsy nisalasala nampiasa ny basy poleta teny an-tanany izy ireo. Nitifitra ilay rangahy tao anaty “cash point” no sady nanao tifi-danitra nitsoahana teny an-toerana. Sakaosy iray, izay heverina fa nisy vola no lasan’izy ireo tamin’izany.

Tamin’izay ihany koa anefa dia efa nisy nampandre ny zandary, izay tsy lavitra akory io toerana io. Raikitra teo no ho eo ihany ny fifanenjehana sy ny fanakanana ny lalana mety hizoran’ireo olon-dratsy. Araka ny fanazavana azo dia nisy iray tamin’ireo mpanafika ireto no tra-tehaky ny zandary, tsy lavitra teo. Tafatsoaka kosa ireo namany roa lahy, izay nitondra ny basy. Natsipin’izy ireo ihany koa ilay sakaosy azony ary efa nalain’ireo zandary sy nomena ny tompony. Marihana, araka ny fanazavana azo dia mbola nahitàna taim-bala sy bala tsy nipoaka teo amin’ny toerana nisian’izany fanafihana izany, taorian’ny fitsirihana nataon’ireto farany teny an-toerana. Ilay rangahy naratra mafy, voatifitra kosa dia efa nentina novonjena nihazo tobim-pahasalamana haingana, saingy indrisy fa noho ny fahabetsahan’ny rà very dia tsy tana intsony ny ainy, noho ny tonga tany. Efa eny am-pelatanan’ireo tompon’andraikitra, ny zandary avy eo anivon’ny tobim-paritra Ankadikely moa ny raharaha ary efa mandeha tsy ankijanona ny sahavao sy ny fikarohana ireo tafatsoaka. Ilay voasambotra kosa, notanana natao andrimaso ao amin’ny tobin’ny zandary.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici