Nandriaka indray ny rà tetsy Ankadikely Ilafy, lalana mivoaka mihazo an’Ambatobe iny omaly hariva. Fiara minibus « Hyundai Grand Starex » no nivarina tafavoaka ny lalana ary nivarina tany an-kady. Vokany, lehilahy iray no maty tsy tra-drano ary olona iray hafa naratra mafy. Simba tanteraka ihany koa ny fiara. Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany tany ho any no nitrangan’ny loza, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana. Nihazo ny toerana nitrangan’ny loza avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny, ny zandary avy etsy amin’ny tobi-paritra Ankadikely, nijery ifotony ny zava-nisy. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza. « Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ety an-toerana izahay » hoy ny fanazavana tamin’ireo mpitandro filaminana. Ny hany fantatra sy voalazan’ireo mpitondra fiara mpindrana iny lalana iny dia somary ratsy mihitsy iny lalana iny. Maro amin’ireo rarivato mantsy no efa somary miongotra, mandrisika ireo mpitondra fiara haka sisiny. Ny loza anefa dia na andrin-tany no mitsena avy andaniny iray na hantsana mangitsokitsoka ao amin’ny andaniny faharoa. Ambon’izay anefa, sady somary tery ny lalana. Efa novonjena nihazo toeram-pitsaboana avy hatrany ilay olona naratra, ary nalefa any amin’ny tranom-paty kosa ilay namoy ny ainy. Marihana fa tsy nisy afa-tsy izy ireo ihany no tao anatin’ilay fiara, raha ny fanazavàna azo hatrany.
Fa ankoatr’izay, ny harivan’ny talata lasa teo dia nitranga lozam-pifamoivoizana ihany koa tamin’iny lalam-pirenena fahatelo iny, teo Sabotsy Namehana, tsy lavitra tobin-dasantsy iray. Fiarabe nanana olana ara-teknika, lany rivotra, no nitsotsotso nidina ary nandona moto iray izay nisisitsika handeha hiakatra. Vokany, tovolahy iray no tapa-tongotra. Marihana fa avy avatra hianantsimo ilay fiarabe, raha handeha hihazo an’i Sabotsy kosa ilay kodiaran-droa. « Roalahy izy ireo, saingy afa-niala sy nitsambikina avy any ambony moto ilay nitondra. Saika handeha hanaraka toa izay ihany koa ilay nentina, saingy efa voarain’ny kodiaran’ny fiarabe ny tongony ary toro tao » hoy ny fanazavàn azo avy amin’ny polisy. Miandry ny fahasitranan’ity naratra ity moa vao afaka manao fanadihadiana ireo mpitandro filaminana. Na izany aza dia efa notazomina sy nalaina am-bavany tao amin’ny kaomisarian’i Sabotsy ilay mpamilin’ilay fiarabe.
m.L