- Publicité -
mercredi, octobre 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadikely Ilafy : Mpivarotra voatafika, lasa ny vola rehetra

Ankadikely Ilafy : Mpivarotra voatafika, lasa ny vola rehetra

Toeram-pivarotana tao amin’ny fokontany iray tao amin’iny kaominina Ankadikely Ilafy iny, no lasibatry ny olon-dratsy ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso ny zava-nisy, dia andian’olon-dratsy manodidina ny efa-dahy teo izy ireo, izay nitondra zava-maranitra. Ny sasany tamin’ireo nitantara moa dia nilaza fa nisy nitondra basy ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any no nitrangan’izany teny an-toerana. Efa nanomboka nihidy avokoa ireo tsena kely teo amin’ny manodidina ankoatry ny tsena iray. Ity farany araka izany no niantefan’ny asa ratsin’ireo jiolahy, ary ny tompon’ny tsena no norahonana hanome ny vola rehetra tany aminy, raha ny nambaran’ireo nanatri-maso hatrany. « Tao anatin’ny fotoana fohy ihany no nanaovan’ireo olon-dratsy izany, rehefa nahazo izay nilaina izy ireo ary nitsoaka toy ny tsy teo izy ireo » hoy ny fitantaran’ny raiamandreny iray teo an-tanàna. « Raha ny tena marina dia toy ny karazana fanendahana ihany izy io fa tsy dia fanafihana loatra. Efa somary mangina sy tsy dia misy olona tamin’io hariva io ka ilay rangahy tompon-tsena, sendra hitan’izy ireo teo no nataon’izy ireo lasibatra » hoy ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana. Marihana fa efa voaentana ao anatin’ny tagnamaron’ny fandriampahalemana ny mponina teny an-toerana, ka raha vantany vao nitranga ilay asa ratsy dia efa nisy ny fampandrenesana azo. Tonga tao anatin’ny fotoana fohy teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, saingy nanararaotra ny haizina efa niha-nirotsaka ireo olon-dratsy ka tafaporitsaka ihany. Efa ao anatin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana azy ireo moa ireo tompon’andraikitra, raha ny fantatra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici