Hatairana ny an’ireo fokonolona tao amin’ny fokontany Antsoaina hoe Masinandriana, kaominina Ankadikely, distrikan’Antananarivo-Avaradrano, y ny alahady 21 febroary vao mangiran-dratsy, raha nahita ity tovolahy iray nihantona tamin’ny tady eo amin’ny tendany teny ambony hazo. Rehefa nojerena dia efa tsy nisy aina intsony izy tamin’ny nanesorana azy teo amin’ilay hazo. Nampandrenesina avy hatrany ny manampahefana sy ny zandary eny an-toerana. Ireto farany no niantso ny dokotera ao amin’ny CSBII Ankadikely mba hanao ny fizahana ny razana. Nadritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana no nahitana fa namono tena ity tovolahy ity. Asa na inona no tena zava-nitranga fa mety ho nanana olana izy ka nahatonga azy ho nanao izany. Nialoha izao famoizam-po izao tokoa, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena, dia voalaza fa nifamaly tamin’ny renininy izy. Tsy fantatra marina anefa ny tena anton’io fifamaliana io ka mety ho nanosika azy hanapa-kevitra hanapitra ny androny toy izao. Marihina fa tsy lavitra ny toeram-ponenany no nanaovany izany. Efa nanokatra fanadihadiana momba ity raharaha ity moa ny borigadin’ny zandary Ankadikely.
T.M.