Efa tsy tana intsony ny an’ity ankizivavy vao 16 taona monja, na dia noezahina nentina nihazo toeram-pitsaboana aza. Voalaza fa nahitana tavoahangina ranom-panafody famonoana bibikely teny an-tanany. Talohan’io anefa dia fantatra fa tany amin’ny sakaizany izy. Famonoan-tena sa vono olona ? Na izany na tsy izany dia notazomina natao fanadihadiana eny anivon’ny zandary ity farany.
Ny talata teo no nitrangan’izany tany amin’iny faritra Ankadikely Ilafy iny. Araka ny angom-baovao azo avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia hoe niala tao an-tranony ity ankizivavy ity ary nilaza fa ho any amin’io sakaizany io, izay eny Manjaka. Tsy fantatra mazava anefa izany nitranga tany. Ny alin’io andro mantsy dia niolomay nankany amin’ny mpitsabo tsy miankina iray teny an-toerana ihany ilay lehilahy sakaizany, nitondra ity tovovavy ity efa tsy mahatsiaro tena intsony. Nony tonga tao amin’ilay mpitsabo anefa, raha ny vaovao azo hatrany, dia nambaran’ity farany fa efa maty ilay vehivavy. Nandritra ny fitsirahana natao no tsikaritry ny mpitsabo fa nahitana tavoahangina fanafody famonoana bibikely teny aminy. Teo anatrehan’ny zava-nisy araka izany dia nampandrenesina ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankadikely Ilafy ary tonga teny amin’ilay toeram-pitsaboana. Famonoan-tena avy hatrany moa no heverina fa nahafaty ity vehivavy ity, raha ny fanazavàna azo. Kanefa, noho ny zava-nisy dia mipetraka ihany ny ahiahy ny amin’ny fomba nahafaty azy. Koa satria ihany koa nisy aina nafoy dia tsy maintsy nandray an-tanana ny raharaha ireo mpitandro filaminana. Araka izany dia nentina nihazo sy notazomina tao amin’ny biraon’ny zandary avy hatrany ilay tovolahy 24 taona sakaizany, mba hanaovana famotorana. Ny razana kosa efa nomena ny fianakaviany.
Nangonin’i m.L