- Publicité -
dimanche, septembre 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadikely Ilafy : Vaky fasana, razana maro no very taolana

Ankadikely Ilafy : Vaky fasana, razana maro no very taolana

Ankoatra ilay niseho tetsy Itaosy, izay nahaverezana taolambalo maromaro, dia fantatra fa nisehoana vaky fasana ihany koa tetsy Ambohimpanja, Ankadikely Ilafy. Tsy fantatra mazava ny fotoana nanaovan’ireo tsy valahara izany asa ratsiny izany fa ny “quartier-mobile” teny an-toerana no nahatsikaritra izany ny alakamisy teo. Ity farany moa izay tonga nampilaza avy hatrany ny zandary tao Ankadikely ny amin’ny fisian’io fasana vaky io. Teo no ho no eo ihany dia nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo, narahan’ny solontenan’ny kaominina sy ny avy ao amin’ny fokontany, nijery ifotony ny zava-nisy. Fantatra tamin’izany fa razana maromaro no voakorontana, ary nahatratra teo amin’ny 24 isa teo ny taolan-dava tsy hita tamin’ireo razana ireo. Ana fianakaviana iray, izay mipetraka eny amin’iny faritra Ankadifotsy iny ity fasana nisy namaky ity, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary hatrany. Efa nosokafana avy hatrany moa ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity. Tato ho ato tokoa izay dia niverina nirongatra indray ny halatra taolam-paty, tsy teto an-drenivohitra ihany fa na hatrany amin’ny faritra aza. Vao herinandro vitsivitsy tokoa mantsy izay no nahasamborana andian’olona maromaro, tratra niaraka tamina taolam-paty iray taonina sy sasany mahery tany amin’iny faritra Atsinanana iny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici