Salama tsara izy no tonga tao amin’ny hopitaly. Tsy nisy rà nivoaka ihany koa na dia kely monja aza. Saingy fantsika rezatra efa harafesina be no nitsatoka teo amin’ny masony. Izay no hita teny an-toerana tamin’ny fotoana nanateran’ny fiarakaretsaka ity zazavavikely latsaky ny folo taona teny amin’ny hopitaly Hjra omaly. Rehefa nanontaniana ny zavanisy dia hoe nisangisangy niaraka tamin’ny olona ity zazakely ity. Tampoka teo anefa dia nisy fanipazana ilay fantsika rezatra izay nitsatoka avy hatrany teny amin’ny masony havia. Omaly, tamin’ny fotoana nandalovanay teny an-toerana dia nataon’ny mpitsabo avy hatrany ny fitiliana rehetra momba ny mason’ity zaza ity. Izany dia mba hahafahana manapakevitra na mila fandidiana maika izy na kosa fomba hafa no entina hamonjena ny masony.
D.R