- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadikely : Lehilahy hita faty tanaty taxibe

Ankadikely : Lehilahy hita faty tanaty taxibe

Ilay rangahy namoy ny ainy tao anaty taxibe. Ilazana izay mety ho havany na mahafantatra azy.

Lehilahy iray, manodidina ny 50 taona any ho any no hita faty tanaty taxibe, mampitohy ny renivohitra sy Antanandro omaly antoandro. Tsy fantatra ny momba azy, tsy fantatra rahateo ihany koa ny antony nahafaty azy. Araka ny loharanom-baovao azo dia niakatra tao anatin’ity taxibe ity io lehilahy io, toy ny mpandeha rehetra. Tao anaty dia renoky ny torimaso izy, izay zavatra tsy dia mahagaga loatra fa efa matetika mpahazo ireo olona vizaky ny rotorotom-piainana. Efa tonga teo amin’ny toerana fiantsonany anefa ilay fiara, fa mbola tsy nifoha ilay rangahy. Teo no somary nanaitry ny mpanampin’ny mpamily satria sady tsy nihetsika no tsy nanoina intsony ity lehilahy ity rehefa nofohazina. Nampanantsoina avy hatrany teo ny tompon’andraikitra sy ny mpitsabo ka fantatra, fa efa maty ilay rangahy. Marihana fa tsy misy olona mahafantatra eny an-toerana ity rangahy hita faty ity. Tsy nahitana n’inona n’inona nahafantarana ny momba azy ihany koa teny aminy. Nidina teny an-toerana nijery ny zava-nisy moa ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankadikely. Ny razana kosa dia nentina tao amin’ny toeram-pitsaboana ao Ankadikely.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici