Nirehitra, omaly hariva, tao anatin’iny oram-be iny nivatravatra teto an-drenivohitra sy ny manodidina iny ny orinasa iray mpanodina vovon-dandihazo, tetsy Ankadikely Ilafy. Akora mora mirehitra ny kirakiraina ato amin’ity orinasa ity, ary efa fatratra tokoa ny fitandremana amin’ny afo. Kanefa dia izao izy tra-doza izao. Raha ny angom-baovao azo mantsy dia loza voajanahary no nahavoa ity orinasa ity. Indroa nirefotra ny varatra omaly ary samy nianjera tao amin’ity orinasa ity avokoa. Antony nahatonga ny firehetana. Na dia teo aza ny ora-mikija dia tsy nahafaty ny afo tsy hihitatra izany. Niezaka ny namono izany tamin’ny alalan’ny fitaovana tao an-toerana ihany ireo mpiasa kanefa tsy nety voafehy ny afo, fa vao mainka niha nihitatra. Soa ihany fa nalaky tonga ny teo anivon’ireo sampana mpamonjy voina. Akaiky kokoa moa ireo teo amin’ny toby teo Andravoahangy ka ireo no tonga voalohany tety an-toerana, narahan’ny tetsy Tsaralalana avy eo. Fotoana vitsy ho an’ireo mpamonjy voina dia efa ampy nifehezana ny afo, raha ny angom-baovao. Soa ihany fa tsy nisy olona naratra na namoy ny ainy tao anatin’ny voina nahazo ity orinasa mpanao bodofotsy ity. Na dia ny ampahany tamin’ireo vata-trano ihany aza no izao may izao, hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay zavatra may sy simba tao anatiny. Ny angom-baovao azo fotsiny dia nisy entana marobe sy fitaovana lasa lavenona tao anatiny, ary tombanana aman-tapitrisany mahery any ho any ny teti-bidin’ny zavatra simba tao anatin’izany fahamaizana izany. Izany tokoa ny hoe, ny loza tsy mampilaza fa rehefa ho tonga dia tonga, eny fa na dia eo aza ireo karazana fitandremana sy fisorohana atao.
m.L