- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAnkadikely : Mpamaky trano maty voatifitry ny zandary

Ankadikely : Mpamaky trano maty voatifitry ny zandary

Teo am-pihanihana tambohon’olona mihitsy no tonga tsy nampoiziny ny zandary avy ao Ankadikely. Raikitra ny fifampitifirana. Lavo vokatr’izany ilay olon-dratsy. Mbola nisy namany ingahirainy, saingy tafaporitsaka izy ireo. Tranga niseho tetsy amin’ny fokontanin’Andafiavaratra, ao amin’ny kaomina Ankadikely Ilafy, ny maraim-ben’ny omaly.

Araka ny tati-baovao navoakan’ny zandarimariam-pirenana dia telolahy no nikasa hanafika tokantrano iray tetsy amin’ny tananan’i Mangarivotra, ao amin’ny fokontany voalaza etsy ambony. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any. Nanaitra ny tompon-trano avy hatrany ny zava-niseho, rehefa naheno feo hafahafa izy ireo. Raha ny filazan’ireto saika niharam-boina dia efa tafiditra tao anaty tanàna ny roalahy, saingy mbola teo am-pihanihana ny tamboho kosa ny iray. Niantso vonjy avy hatrany tamin’ny mpitandro filaminana ireto lasibatra. Tonga ara-potoana teny an-toerana ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankadikely. Mbola tratra am-bodiomby mihitsy ilay nihanika, hoy hatrany ny vaovao. Tao anatin’izany no nisian’ny « fifanjevoana sy fifandonana » ka nirefotra nandrovitra ny fahanginan’ny maraina ny basy. Iray tamin’ireo mpanakafika ny lavo tao anatin’izany. Nanararaotra ny fifanjevoana kosa ireo namany ary niezaka nitsoaka, tao anaty haizina. Nanao ny fanarahan-dia ihany ireo mpitandro filaminana saingy efa tsy hita tany nanjavonana intsony ireto farany. Tamin’io fotoana io ihany dia efa nanao hazalambo amin’ny fikarohana ireto tafatsoaka izy ireo, izay nitohy hatramin’ny andron’ny omaly. Ilay iray voatifitra, taorian’ny fitsirihana natao dia efa napetraka eny amin’ny tranom-paty, miandry ny hakan’ny havany ny vatana mangatsiaka.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici