- Publicité -
samedi, décembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadikely : Mpanafika taxi-moto voasambotry ny zandary

Ankadikely : Mpanafika taxi-moto voasambotry ny zandary

Re mahazatra ny hoe ilay mpitondra taxi-moto no manendaka sy manafika ilay mpanjifany. Ny tamin’ity indray mitoraka ity dia ilay mpitondra taxi-moto no voatafiky sy voaratra ny mpanjifany. Tranga teny amin’iny faritra Antsampandrano, kaominina Ankadikely Ilafy iny, ny andron’ny alarobia lasa teo. Voasambotry ny zandary sy ny fokonolona moa ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Tafatsoaka kosa ny ambiny. Ny zava-nisy. Araka ny fampahafataram-baovao navoakan’ny zandary dia niala teny Anosy handeha hihazo an’Antsampandrano no nifanarahan’ilay mpanjifa tamin’ilay taxi-moto. Raikitra ny ady varotra ary nizotra nilamina ny dia. Somary mangingina iny lalana mihazo an’Antsampandrano na ny mitsofoka avy eto Ambatobe, mihazo an’Ambohimahailala iny na ilay mitsofoka avy eny Manjaka Ilafy. Tamin’izany lalana izany, izay tsy maintsy handalovan’ilay fitaovam-pitaterana ity sy ny mpanjifany no efa nisy olona hafa niandry kendritohina izy ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny zandary. Olona hafa, izay tsy iza fa naman’ilay olona nentin’ilay taxi-moto ihany. Mazava ho azy, tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany niletra teny amin’ilay mpitondra môtô ny antsy ary nandratra azy. Teo am-piezahana hitondra ilay môtô ireto mpangalatra no nisy nahatsikaritra, ary nampandre ny fokonolona sy ny zandary avy hatrany. Vetivety dia tonga ireto farany, satria efa nisy zandary nanao fisafoana teny Ambohimahailala, hoy ny vaovao. Nezahina novonjena ilay naratra ary raikitra ny fanenjehana ireto olon-dratsy. Ny iray tamin’izy ireo no tsy afa-nikofoka ary voasambotra soa aman-tsara hoy hatrany ny vaovao, raha tafatsoaka kosa ny roa lahy. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny zandary ity voasambotra ity. Tsy azon’izy ireo kosa ny moto ary efa naverina tamin’ny tompony. Mbola mandeha kosa ny fikarohana ireo hafa nitsoaka, raha ny vaovao azo hatrany. Tsy mitsahatra tokoa ny mpitandro filaminana mamerimberina fa mila mailo tanteraka amin’izao ankatoky ny fety izao, satria dia tena mirongatra ny asa ratsy isan-karazany. Afaka mampandre azy ireo avy hatrany ny tsirairay raha misy tranga mampiahiahy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici