- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadikely : Mpitondra môtô voavely « bois rond »

Ankadikely : Mpitondra môtô voavely « bois rond »

Efa maromaro ihany izay voa izay ary nisy ireo nitondra faisana mihitsy, raha ireo fanehoan-kevitra isan-karazany hita anaty tambazotra sosialy. Eny amin’iny faritra Ankadikely sy Nanisàna, Ankerana iny aloha no voalaza, fa nahitàna izany, raha ny voalaza hatrany. Misafidy tsara izay ora mahavitsy ireo fiara mandeha eny an-dàlana ireo mpanao ratsy ary miandry kendry tohina fotsiny amin’ny alalan’ny « bois rond ». Mazàna dia eny amin’ireo faritra maizimaizina sy somary ratsy làlana ka manery ireo mpitondra môtô handeha mora no ataony tokotany filalaovany. Manodidina ny amin’ny valo ora alina eo ho eo foana izay, raha ny fitantaran’ireo efa niharan’izany. Ohatry ity nitranga teny amin’iny faritra Ankadikely iny. Naratra mafy ilay mpitondra môtô tamin’io fotoana ireo nisy nively tamin’ny hazo teny ambony ny kodiaran-droa nentiny. Nisy nilaza ihany koa, fa eny amin’iny faritra Ankerana sy Nanisàna iny ihany moa misy andian’olona hafahafa milanja « bois rond » ary miafina anaty maizina sy miandry fotsiny ireo môtô mandeha tokana amin’izany làlana izany. Manaitra ny sain’ireo mpitandro filaminana araka izany mba hijery akaiky ity toe-javatra ity. Azo lazaina tokoa efa miverina amin’ny fiainana andavanandro ny rehetra taorian’iny fihibohana iny. Midika ihany koa izany, fa tsy vitsy intsony ireo voatery tsy maintsy miala vao maraim-be sy mody alim-be. Nandritra iny fihibohana sy tsy fisian’ny fiara mpitatitra iny rahateo, dia niroborobo izay tsy izy ny fandehanana kodiaran-droa ary mbola betsaka ireo mandeha sy mampiasa izany amin’izao. Ary anisan’ny fitaovana iray mahomby amin’ny fiverenan’ny fitohana eto Andrenivohitra ihany koa. Araka izany, any amin’ireny indray no mitodika ny mason’ireo olon-dratsy. Anisan’ny ao anatin’izany ilay tranga niseho tetsy Alasora : halatra môtô niharo vono olona. Soa ihany fa voasambotry ny pôlisy ilay nahavanon-doza …

m.L

 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici