Fitantarana roa samihafa no azonay mahakasika ny herisetra nitranga tetsy Ambohipanja ny asabotsy lasa teo. Ny voalohany dia ny fisian’ny pôlisy iray mbola mpiana-draharaha izay voalaza ho nanakorontana nandritra ny fandevenana. Raha ny momba izany, izay efa notaterin’ny gazety mpiseho isan’andro iray, dia nisy ny fikasàna nataon’ilay mpitandro ny filaminana haka ny razana iray efa maina tao amin’ilay fasana tokony nandevenana tamin’io fotoana io. Nisy tezitra tamin’izany fihetsika izany tao anatin’ny fianakaviana ka tonga hatramin’ny fifampikasihan-tànana ny raharaha. Ny fitantarana faharoa indray dia ny mahakasika ny fisian’ny pôlisy iray, miana-draharaha etsy amin’ny foiben’io vondrona io etsy Tsaralalàna, izay voalaza fa naratra mafy. Ny anton’izany, raha araka io fitantarana io, dia noho ny fikasihan-tànana azy nandritra ny fiandrasam-paty tetsy Ambohipanja-Ilafy. Havany akaiky ihany ireo voalaza ho nikasi-tànana azy ireo, raha araka io loharanom-baovao io. Misafotofoto araka izany ny raharaha. Na izany aza anefa dia fantatra fa misy ny fametraham-pitoriana natao momba ilay pôlisy ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany izy eo anivon’ny toeram-piasany. Anjaran’ny mpanadihady no mamantatra izay tena zava-nitranga marina satria misafotofoto kely ary samy manana ny fanazavany ny roa tonta.
D.R