- Publicité -
mercredi, septembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadikely : Sprinter niala bisikleta, nivadika, maty ny mpamily

Ankadikely : Sprinter niala bisikleta, nivadika, maty ny mpamily

Mafy ny fifandonana.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona teny amin’iny lalana kaominaly mampitohy an’Ankadikely sy Antanandrano iny ny alahady hariva lasa teo. Araka ny fantatra dia fiara « sprinter fourgon » iray no nivadibadika tao anatin’izany. Naratra mafy ny mpamily io fiara io ary indrisy fa tsy tana intsony ny ainy nony tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any no niseho ny loza, hoy hatrany ny fanazavana azo, tamin’iny lala-mahitsy handeha hivoaka aty Ankadikely, raha avy any Antanandrano iny. Ao anaty fanamboarana tanteraka mantsy izany lalana izany ary efa somary malalaka sy mahitsy. Nandeha mafy io fiara « sprinter » tamin’izany lalana izany. Ary tamin’izay fotoana izay no nipoitra tampoka avy any, nisy ankizy anankiroa nilalao bisikleta teo am-povoan-dalana. Tsy nampoizin’ilay mpamily mihitsy izany sakana izany ka niezaka ny niala sy nifehy ny fiara nentiny izy. Mazava ho azy, fiara mavesatra mandeha mafy izany, sarotra ihany ny hifehy sy hampijanona azy ara-potoana. Voafoaka ihany ireo ankizy niaraka tamin’ilay bisikleta. Ilay fiara kosa, tao anatin’izay nibirioka ary nivarina tanaty tatatra sy nivadika. Voalazan’ny vaovao fa naratra mafy ireo ankizy voadona, ny iray aza moa tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza dia tsy nahatsiaro tena. Torak’izay ihany koa ny mpamilin’ilay fiara. Samy nentina nihazo toeram-pitsaboana avokoa ireto naratra ireto saingy teny an-dalana no tsy tana intsony ny ain’ilay mpamily. Tonga teny an-toerana nanao ny fijerena ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana moa ny zandary. Ireto farany, izay tsy nitsahatra ny nanentana ny rehetra, satria amin’ny toe-javatra tahak’izao dia samy tompon’andraikitra avokoa na ireo mpampiasa lalana na ireo mponina manodidina ny lalana ny amin’ny andraikitr’izy ireo tsirairay avy, hisorohana ny loza mahatsiravina toa izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici