Lehilahy iray efa bebe taona ihany no fantatra fa maty noho ny vely hazo nahazo azy teo amin’ny faritry ny lohany teny Ankadilalampotsy eny Antsimondrano tamin’ny alatsinainy lasa teo. Raha ny fitantarany tamin’ny havany, toa olona akakiky azy ihany na nahavanona izao famonoana izao. Tsy maty teo no ho eo mantsy izy fa mbola afaka namonjy ny trano nipetrahany. Asa na nisy fifamaliana teo aminy sy ilay olona na ahoana fa ankoatra ny vely hazo dia efa noratraina ihany koa izy. Nitrangana famonoana olona saika nisesy teny Atsimondrano tamin’ity herinandro niantomboka ity.
r.s.