
Kivy tanteraka ny olona no sady sosotra. Tsy nisy azo natao anefa satria tsy hita ny mpamily ny fiara. Efa ho iray andro sy tapany no nipetraka teo ity fiara tsy mataho-dàlana mitondra ny marika Nissan Patrol, ary eo amin’ny làlana izay ifamezivezen’ny olona ao anaty fokontany kely iray no tapaka vokatr’izany. Nanomboka ny zoma alina no efa nipetraka teo ilay fiara ary tsy niala teo raha tsy ny alahady tolakandro,rehefa nokarohin’ny mponina niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana ny tompony, avy amin’ny laharan’ny fiara. Teo ary vao fantatra, fa ny saoferan’ilay fianakaviana no nitondra io fiara io ary nilaza ireo fa tsy fantany akory ny fisian’ny fiara izay nipetraka tany ho any. Rehefa nandeha ny fialan-tsiny toa ny mahazatra, dia nilamina teo ihany ny raharaha ary tsy nitondra lavitra izany ny olona na dia sosotra tanteraka aza. Ilay mpamily rahateo tsy hita izay nisy azy hatramin’ny alahady izay nangalana ny fiara teny Ankadilalana. Raha any ivelany, dia tsy niandry ela mihitsy dia efa tonga ny fiarabe izay mpibata fiara mibahan-dàlana ary tsy misy hantra ho an’izay tompony na izay mety ho antony nipetrahany teo. Tamin’ity raharaha ity tokoa mantsy, dia nisy ny feo fa hoe an’ny fiadidiana ny Repoblika ny fiara, izany anefa dia entina fotsiny handemena ny olona, raha araka ny fanazavan’ny mponina. Amin’ny lafiny hafa koa dia azo itarafana ny tsy fisian-tsain’ny mpamily sasany ny toy izao. Raha simba ny fiara ka tsy azo nanoharana ny fihetsehany, mety ho azo eritreretina ihany, fa na izany aza dia anjarany ny mitady vahaolana maika fa tsy ny olona akory no voatery misaoty tamboho vao tafavoaka ao amin’ny tanànany. Ny atao hoe mahazo alàlana hitondra fiara, dia tsy mijanona eo amin’ny fahaizana manamory, fa indrindra koa eo amin’ny adidy sy andraikitra mifandraika amin’izany.
D.R