- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadilalana « Cash point » iray voatafika : Lasan’ny jiolahy ny vola...

Ankadilalana « Cash point » iray voatafika : Lasan’ny jiolahy ny vola 25 tapitrisa ariary

Mpanao « cash point » iray, teny Mahamasina Ankadilana, no notafihin’ny jiolahy miisa 2 mirongo basy raha teny an-dalana hihazo ny toerana fiasany, ny asabotsy maraina teo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 25 tapitrisa Ariary. Tsy lavitra ny tobin’ny zandary eo Ankadilalana no nisehoan’ity fanafihana ity, satria eo amin’ny 100 metatra miala eo monja. Araka ny fanazavana azo avy amin’ireo olona voatafika, ny asabotsy maraina tokony ho tamin’ny 7 ora latsaka teo nitrangan’ny fanafihana. Toy ny efa nandrasan’ireo jiolahy ireo mpanao « cash point » roa, ka raha vao tonga teo amin’ny sampanana mahazo ilay tsena izy ireo no nambanan’ny jiolahy roa mitana basy. Tsy nisaron-tava ireo olon-dratsy tamin’izany, ary tao anatin’ny fotoana fohy no nandrahonana sy nakana ny sakaosy nisy ny vola. «Toy ny olon-tsotra ireo jiolahy ary tsy nisaron-tava mihitsy. Ny iray no nanao akanjo misy « capuchon ». Nisy moto niandry teo ary nitsoaka nidina nakany Mahamasina izy ireo », hoy ny fitantaran’ireo niharan’ny fanafihana. Lasa ny vola, tsy nisy sahy nanakana ireo roa lahy na be olona aza teny an-toerana. Tao anatin’ny fotoana fohy izany rehetra izany. Efa lasa ireo jiolahy vao nahantso vonjy ireo lasibatra. Tonga teny ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana. Mitaraina ny olona amin’ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana. Na eto an-drenivohitra na any amin’ny faritra. Manao ny ezaka ny mpitandro filaminana saingy tsy mahasakana ireo olon-dratsy hanao ny asa ratsiny izany. Mila ezaka be raha hampandry fahalemana ny tanàna.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici