- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadilalana : Fetim-pirenena milamina no tanjona

Ankadilalana : Fetim-pirenena milamina no tanjona

Nanambara ny fepetra handaminana ny fetim-pirenena ny talata lasa teo tetsy amin’ny Tobin’ny zandarimariam-pirenena, ny fiaraha-miasan’ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila. Ho tohin’ny fanao isan-taona dia tsy maintsy hapetraka ireo fepetra hitandroana ny filaminana ny alarobia 25 jiona sy ny alakamisy 26 jiona. Hojerena akaiky amin’izany ny fitandroana ny fivezivezen’ny fiara ety amin’ny manamorona an’ Anosy mandritry ny afomanga ny alin’ny 25 jiona sy ny mandritry ny fety ao Mahamasina ny 26 jiona.

Nampitandrina tamin’izany moa izy ireo fa hisy ny fisavana mialoha ny hidirana ny kianjan’ny Mahamasina ka tsy afaka miditra ao ny antsy sy ny zava-maranitra isan-karazany ary ny tavoahangy vita amin’ny vera, hisy ny fepetra manokana ho an’ireo izay mihoa-pefy na koa mamo izay tsy ho tafiditra ny kianja mihintsy.

Mandritry ny lanonana dia hisy ihany koa ny fanaovana ny fisafoana izay ataon’ireo mpitandron’ny filaminana na ny mandeha fiara izany na ny mandeha antongotra. Hisy koa ny fanaraha-maso ireo toerana avo toy ny eny Andohalo ka hampiana ny isian’ireo mpitandron’ny filaminana miandry eny. Fetim-pirenena voalohany ho an’ny Repoblika faha efatra mantsy io no mbola eo ihany koa ny fahatongavan’ireo vahiny hanatrika izay ka tsy azo atao ambanin-javatra ny fitandroana ny filaminana. Mety hisy ihany koa ny fisavana ireo olona mitondra sakaosy na fiara na moto Scooter ka mampiahiahy.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser