- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimanga Itaosy : Lehilahy novonoina, natsipy tao anaty lava-drano

Ankadimanga Itaosy : Lehilahy novonoina, natsipy tao anaty lava-drano

Lehilahy iray manodidina ny 25 taona tany ho any no hita tao anaty lava-drano ny marainan’ny sabotsy lasa teo, tetsy Ankadimanga Itaosy. Naratra mafy tokoa ity lehilahy ity, izay hita fa tena voa mafy tokoa teo amin’ny lohany. Nentina avy hatrany nihazo ny toeram-pitsaboana moa, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny filaminana teny amin’iny faritra iny, saingy tsy tana intsony ny ainy teny an-dalana. Mampiahiahy ihany ary azo heverina fa mety ho vono olona no tao ambadik’ity raharaha ity, hoy hatrany ity farany, izay nandray an-tanana ny fanadihadiana avy hatrany. Ireo ratra marobe teny amin’ny lohany mantsy, dia tsy azo heverina velively ho vokatry ny fianjerany tao anatin’ilay lava-drano. Tetsy andanin’izay ihany koa, voalaza fa nisy fifandirana sy korontana tao anatin’ny raharaham-panambadiana iray natrehin’ity tovolahy ity talohan’izao fahitàna azy tao anaty lava-drano izao, raha ny fanazavàna hatrany. Nandray ny andraikitra tandrify azy avy hatrany ireo manam-pahefana ka taorian’io dia efa nisy ny fisamborana  olona mampiahiahy, izay mety ho ahiana ho tao ambadik’ity ratra sy vono ity. Miisa telo izy ireo, raha ny fanazavàna nomen’ny tompon’andraikitra ary efa eo an-dalam-panaovana famotorana azy ireo ireto farany. Tamin’io fotoana io ihany dia notazomina natao andrimaso eo anivon’ny tobim-paritry ny zandary ao Itaosy ireto olona ireto, raha ny fantatra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici