- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Bar voatafika, olona roa voatifitra

Ankadimbahoaka : Bar voatafika, olona roa voatifitra

Omaly tamin’ny enina ora hariva, no nitranga ny fanafihana. Mbola nifanaretsaka ny olona ary tao anatin’ny fitohanana mahazatra ihany koa ny fifamoivoizana. Tampoka teo nisy basy nirefodrefotra ary rà mandriaka. Fantatra fa toeram-pivarotana toaka no notafihan’ireo olon-dratsy mitam-basy. Rehefa norahonana ny tao anatiny ary nasaina namoaka ny vola maty indray andro, toa ny mahazatra ihany, dia mety ho nisy saika hamaly tao anatin’ilay toeram-pivarotana. Tany amin’ireo olona mpanjifa tao anatiny no nifatratra ny bala. Rehefa lasa ny jiolahy nitam-basy vao afaka nanavotra ny olona teo amin’ny manodidina izay nifanome tànana tamin’ny fikarohana fiara hitondra ny maratra any amin’ny hopitaly. Tsy misy tsy faritra mena intsony eto Andrenivohitra amin’izao an-katoky ny fety izao. Manararaotra tanteraka ny jiolahy, satria maro ny olona miakatra eto Antananarivo ary fantatr’ireo koa fa mandritry ny fety vao tena mafy ny fanamafisana ny fandriam-pahalemana fa tsy alohan’ny fety.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici