- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Fandrobana, miaramila iray maty notifirin’ny jiolahy

Ankadimbahoaka : Fandrobana, miaramila iray maty notifirin’ny jiolahy

Ny sabotsy hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany, jiolahy miisa telo no fantatra fa nanafika fivarotana roa teny Ankadimbahoaka. Nirefotra ny basy ka, olona roa no voatifitra. Maty ny iray izay voalaza fa miaramila. Naratra teo amin’ny tongony kosa ny faharoa. Ankoatra zany, lasan’ireo mpangalatra ny vola maty io andro io, mitotaly aman-hetsiny maromaro. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa mbola nivoha sady maro mpiantsena ireo toerana voatafika ireo. Efa nisy nahatsikaritra ny fisian’ireo olona hafahafa ireo nihodinkodina teny an-toerana. Farany, niditra tao amin’ny tsena voalahany ny roa tamin’ireo mpandroba ary nanambana basy ny rehetra. Tsy nisy sahy nihetsika ary dia lasan-dry zalahy ny vola tao. Nandeha tao amin’ilay tsena faharoa ireo olon-dratsy. Dia sahala ny tamin’ilay voalohany ihany no niseho, ny roa niditra ny iray niandry tany ivelany. Ny vola tao anaty fitoerany no nasain’izy ireo nomena azy. Tetsy andanin’izany, nisy olona saika hiditra fa tsy nahalala izay zavatra niseho. Voatifitra teo amin’ny tongony izy io satria tsy navelan’ilay jiolahy tany ivelany ,hiditra. Anefa nandroso ihany. Teo amin’ny tongony no voan’ny bala, hoy ny vaovao voaray hatrany. Ho an’ilay miaramila kosa, teo amin’ny kibony no niantefa ny bala. Naratra mafy tokoa izy ary nentina tany amin’ny trano fitsaboana. Tsy tana anefa ny ainy fa dia maty omaly izy. Tsy dia mazava tsara ny tena nitifiran’ireo jiolahy azy. Voalaza fa mipetraka tsy lavitra ireo tsena voaroba izy. Asa raha noheverin’ireo olon-dratsy fa hanampy ireo mpivarotra na ahoana fa dia izao voatifitra izao.

Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici