- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Fiara handeha hanatitra vola voatafika

Ankadimbahoaka : Fiara handeha hanatitra vola voatafika

Mitentina eo amin’ny 45 tapitrisa ariary mahery any ho any no vola lasan’ireo olon-dratsy, ny talata teo tetsy Ankadimbahoaka. Volana tobin-tsolika iray eny an-toerana izy io ary saika handeha haterina any amin’ny banky.

Nirefodrefotra indray ny basy teny amin’iny faritra Ankadimbahoaka iny ny marain’ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany maraina tany ho any. Araka ny fampitam-baovao azo dia fiara iray an’ny toby fivarotan-tsolika iray teny an-toerana no notafihan’ny andian-jiolahy maromaro nitondra môtô. Ankevitry ny efa fantatr’ireto olon-dratsy ireto mihitsy ny ora nialàn’ilay fiara tao amin’ilay tobin-tsolika, ary fantany ny lalana halehany. Raha iny vao niala kely teo Ankadimbahoaka ary hizotra hihazo an’i Tanjombato, toerana misy ny banky saika hanaterana ilay volabe mantsy, no notsenain’ireo olon-dratsy ilay fiara. Nandeha môtô  ireto farany ary avy hatrany dia nobahanin’zy ireo ny lalana. Raha ny angom-baovao azo dia niisa teo amin’ny enina teo ireo olon-dratsy, izay samy tsy nanao saron-tava tamin’izay fotoana izay. Vantany vao tafajanona dia nanapoaka basy ireto jiolahy nentina nampitahorana ireo lasibatra. Avy eo nanatona ny fiara ary nanambana basy ireo olona tao anatiny, ny mpitantana ilay tobin-tsolika mihitsy ny iray. Tsy nisy alaharo alaharo fa nitaky ny vola izy ireo, ary rehefa azony izay nilainy dia nandray ny môtô-ny izy ireo ary nitsoaka, nihazo iny lalana mankany Bypass iny. Raha ny voalaza dia nahatratra teo amin’ny telo hetsy sy dimy ambin’ny efapolo tapitrisa ariary ny vola lasan’ireo jiolahy tamin’io fanafihana io. Taorian’io dia efa nisy fepetra noraisin’ireo pôlisy izay nampandrenesina ny amin’ny fanakanana ireo lalana mety ho nandalovan’ireo olon-dratsy, saingy mbola tsy nahitam-bokany aloha io hatreto. Na izany na tsy izany, efa mandeha ny fanadihadiana sy  fikarohana ireo jiolahy ataon’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava etsy Anosy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici