- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Kamiô-na miaramila saika nodoran’ny olona

Ankadimbahoaka : Kamiô-na miaramila saika nodoran’ny olona

Ilay kamiôbe nanimba fiaran’olona. (Sary fianakaviana)
Ilay kamiôbe nanimba fiaran’olona. (Sary fianakaviana)

Tamin’ity taona efa madiva hivalona ity dia tsapa mihitsy tao ho ao izay ny fihoaram-pefin’ireo mpitandro filaminana sasantsany. Ny alahady antoandro lasa teo dia nisy kamiô-na miaramila iray niaraka tamin’ny mpamily azy saika niharan’ny hatezeram-bahoaka, teny amin’iny faritra Ankadimbahoaka iny, rehefa avy nandona fiaran’olon-tsotra sy nanapa-kevitra ny hitsoaka sy tsy hiraharaha ny fahavoazana vokatry ny nataony. « Efa fantatra fa mitohana be ny lalana mihazo an’Ankadimbahoaka iny, noho ilay fanamboaran-dalana misy eny an-toerana. Variana nampiresaka an’ilay tovovavy teo akaikiny anefa ity mpitondra an’ilay fiara ka tsy hitany akory fa efa nahakasoka ny fiara teo akaiky ilay kamiô be », hoy ny fintataran’ireo niharam-boina. Simba tanteraka mihitsy ny ilan’ilay fiara kely nodominin’ity kamiôbe ity, raha ny loharanom-baovao. Rehefa notenenin’ny olona tamin’izany zavatra tsy nety nataony izany anefa ity mpitondra an’ilay fiara dia tsy niraharaha izany fanimban-javatra nataony izany. « Izy indray aza no nampiaka-peo, kanefa izy izao no diso ». Nasain’ity mpamily nanaraka azy teny Namontana ireto olona nodominy. Rehefa nangataka fifampiraharahana ireto olona nanana ny zavatra simba dia nampiaka-peo ny anao lahy. « Nolazainy tamin’izany fa tsy misy zavatra azony atao amin’io. Ary tsy vitan’izany fa mbola nambarany fa hoe « miaramila » ny tenany ka ambaniny avokoa ireo olona rehetra teny an-toerana ». Efa nitangorana be ihany ny olona teny an-toerana ka izay teniny izany no nampiakatra afo ireo olona tonga teny an-toerana. Saika efa novoinon’ny olona sy niharan’ny fitsaram-bahoaka teo ity mpamily ity, raha ny fantatra hatrany. Ary inoana fa raha nitohitohy dia mety niafara tamin’ny fandorana io kamiô io mihitsy angamba. Raha ny voalazan’ireo olona voadona fiara dia lasa nandeha tamin’izao fotsiny ity mpamily ity fa tsy nisy akory ny fifanarahana vita. « Ilay fiara simba tsy hoe vita ho azy amin’izao fotsiny fa tsy maintsy amboarina ». Mitaraina sy miraviravy tanana fotsiny eo anatrehan’izay toetra tsy mendrika nasehoan’ity lehilahy ity izany, araka izany, ireo fianakaviana simba fiara. Manainga ny sain’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny hijery akaiky izao tranga izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser