- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Lehilahy nanolana ny zanany vao 11 taona dia nandositra

Ankadimbahoaka : Lehilahy nanolana ny zanany vao 11 taona dia nandositra

MPANOLANAVoasambotry ny polisy ihany ny lehilahy iray nametaveta ny zanany vavy vao 11 taona rehefa avy nifampitadiavana nandritra ny roa taona latsaka teo. Rehefa tratra ity olona ity dia voalaza fa nanaiky ho nanao ny heloka. Tamin’ny taona 2014, nametraka fitoriana tany amin’ny polisy miandraikitra ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona sy ny vehivavy ny vadin’ity lehilahy tsy valahara ity. Antony, naolany ny zanany azony tamin’io vehivavy io. Tena mbola voatavo tsy mifandraka tokoa satria vao 11 taona monja. Nahatsikaritra mantsy io ramatoa vadiny io fa naolan’ilay lehilahy ny zaka’izy ireo. Raha vao nahafantatra ny anao lahy fa nitory azy ny renin-janany dia lasa nandositra. Nandritra ny volana maro no nikarohana azy. Araka ny fahalalan’ny mpahay, miverina amin’ny toerana avy nanaovany ratsy hatrany izay nahavita heloka. Ny faha-17 martsa 2016, tamin’ny 10 ora sy sasany maraina, nosamborina teny Ankadimbahoaka ny anao lahy. Tsy afaka niala intsony fa noraisim-potsiny teo. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa dia nanaiky ny zavatra nataony ity lehilahy ity. Anio sabotsy no hatolotra ny Fampanoavana ity olona ity.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici