- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Lehilahy tratra saika hangalatra tao anaty fiaran’ny Emmo-Reg

Ankadimbahoaka : Lehilahy tratra saika hangalatra tao anaty fiaran’ny Emmo-Reg

Tra-tehaka ary tsy afaka niala ny lehilahy iray, nangalatra sakaosy teny Ankadimbahoaka ny alatsinainy teo. Ny loharanom-baovao no nahalalana, fa entana tao anaty fiaran’ny mpitandro ny filaminana ihany io nalainy io. Hitany angamba fa variana tamin’ny fanaparitahana ireo olona tonga teny an-toerana mikasika ilay voalaza fa fandravana trano ireo miaramila, ka dia roso izy nanao ny tsy fanao. Tsy afaka niala anefa, hoy hatrany ny      vaovao, fa tonga dia tratra. Nampidirina tao anaty fiara niaraka tamin’ny entana saika nalainy. Nitangoronan’ny olona teo ny anao lahy ary tera-tsemboka mihitsy. Tsy kely làlana tokoa ny ratsy, indrindra amin’izao an-katoky ny fety izao. Hoan’ity lehilahy ity, izao tokoa no tonga amin’ny fitenena hoe, sasatry ny miaina ka eny am-baravaran’ny mpamosavy no manoko sikidy.

Mirongatra amin’izao fotoana izao, ny asa fanendahana, sinto-mahery ary halatra isan-karazany. Tsy mifidy alaina ry zalahy, fa izay sendra ny tànany, dia entiny avokoa. Ireo vehivavy mpiantsena no lasibatra voalohany amin’izao andro fety izao.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser