Nandeha moto toy ny mahazatra ary handeha hanatitra pizza amin’ny mpanjifa nanao « commande » no niharan’ny herisetra tampoka ny lehilahy iray nitaingina moto. Voaotondraky ny asidra ny tarehiny ary voan’izany hatramin’ny masony. Tsy vitan’izany fa mbola niampy daroka avy amin’ireo olon-dratsy. Ny alin’ny asabotsy teo, manodidina ny tamin’ny valo ora, no nisian’ity asaratsy ity. Rehefa nitsirara tamin’ny tany sady efa naratra mafy ilay lehilahy dia nalaina ny moto nentiny sy izay vola tany aminy. Matetika mantsy dia efa mba mitondra famerim-bola kely any aminy na vola somary majinika ireny mpanatitra sakafo ireny mba hialàna amin’ny fahasarotan’ny tsy fisian’ny madinika avy eo. Dia lasan’ireo olon-dratsy ihany koa izany. Livreur izay miasa eo anivon’ny orinasa Gastro pizza ity voa mafy ity. Moto honda mena manana tanjaka 125 cc ilay lasa ary hatramin’ny sakafo saika haterina aza dia mbola nentin’ny olon-dratsy koa. Olona mbola azo lazaina fa mbola miady amin’ny fiainana ity voaroba sy voaendaka ity. Tsy vitan’izany fa mbola nitondra takaitra tao anatin’ny segodra vitsy monja, izany dia mba hangalana ny moto nentiny. Fitaovana izay raha lafo indrindra dia iray tapitrisa ariary ny vidiny satria hamidy eny amin’ny varo-maizina. Raha tratra anefa io mpangalatra io dia tsy latsaky ny 15 taona sazy an-terivozona…
D.R