- Publicité SW45 -
mardi, mai 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Miaramila mamo, nitrosona voadonan’ny fiara

Ankadimbahoaka : Miaramila mamo, nitrosona voadonan’ny fiara

Tsy nisy tsy nanongo tena izay nahita ny zava-nitranga omaly teny amin’ny faritra Ankadimbahoaka tsy lavitra ny « Arret bus » hiakatra ny toby « Cap Sat » iny, tamin’ny 10 ora sy 10 minitra. Miaramila iray mamo vao mararina no nibilabila eran’ny arabe ka voadonan’ny fiara, ka nitrosina tamin’ny tany. Soa ihany fa tao anaty fitohanana tsy ahafahan’ny fiara mandeha mafy no nanapaka tampoka ity mpitandro filaminana ity fa saika zava-doza no nitranga. Avy ny namany izay niara-dia taminy tonga dia nibata azy ary nitondra ity miaramila mamo tampona ity nody nihazo ny lalana mankany amin’ny fasan’ny karàna iny.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser