- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Mpanafika fiara mitam-piadiana, voasambotry ny polisy

Ankadimbahoaka : Mpanafika fiara mitam-piadiana, voasambotry ny polisy

Zava-doza! Efa niomana ny handeha hanafika « cash point »iray teto an-drenivohitra indray ireto andian-jiolahy ireto raha tsy saron’ny polisy ny faran’ny herinandro teo tetsy Ankandimbahoaka. Jiolahy telo niaraka tamin’ny basy vita gasy sy bala, izay marihana fa vehivavy ny iray, fitondran’izy ireo manao jono ireo ataony lasibatra. Ny alin’ny alina zoma lasa teo tokoa mantsy dia mpitondra fiara iray no nataon’izy ireo lasibatra, rehefa niantra ity vehivavy ity. Niangavy mafy iry voalohany ilay vehivavy mba hanatitra azy mody satria ny andro alina ary efa tsy nisy fiara fitanteram-bahoaka intsony. Nanaiky ilay mpitondra fiara, kanjo raha vao nanokatra ny varavaran’ny fiara dia nisy bandy roalahy hafa nitsoropaka niaraka taminy. Namoaka basy ireto farany ary nanambana sy nandrahona ilay mpamily hitondra azy ireo. Teny an-dàlana dia noteren’ireo olon-dratsy hanao sonia taratasy fifampivarotana ilay fiara ity lehilahy ity ary lasan’izy ireo ilay fiara nony avy eo. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nalain’ireto olon-dratsy ny laharan’ny findain’ilay rangahy ary nanaovan’izy fifampiraharahana ny amin’ny hoe « raha manome 65 tapitrisa Iraimbilanja izy ireo dia omeny ilay fiara. Ny tsy fantatr’ireo jiolahy anefa dia tamin’ny fotoana nametrahan’ity lehilahy ity fitoriana mihitsy no niantso nanao io fifampiraharahana io izy ireo. Napetraka avy hatrany ny velam-pandrika ka notsimponina fotsiny tetsy Ankadimbahoaka ny iray tamin’ireo olon-dratsy, ny ampitso. Ity farany indray no nibaradaka nanoro ny ambin’ireo namany, izay nipetraka tamina hotely lehibe iray tetsy A’doharanofotsy. Teny moa no tra-tehaka ny lehilahy roa sy ilay vehivavy fataon’izy ireo jono ary ireo basy fampiasan’izy ireo : poleta vita gasy iray niaraka tamin’ny bala telo. Tamin’ny fakàna am-bavany azy ireo no nahafantarana fa hoe efa fanaon’izy ireo ny manafika fiara eny an-dàlana, indrindra moa ka hoe lehilahy ary mandeha irery ny mpamily teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny.  » Ilay vehivavy hatrany no manakana mody mila fanampiana dia mipoitra avy any ireo roa lahy izay mandeha môtô ka mitonona ho vadin’ilay ramatoa ny iray. Rahonany ilay mpamily ho naka ny vadiny ka takiany vola » hoy ny vaovao.Tao anatin’izay ihany koa no nahafantarana fa saika efa hihitatra amin’ny fanafihana « cash point » indray ny teti-dratsin-dry zareo ireto, ankoatry ny fanakanana fiara. Ny ratsy tokoa tsy kely lalana ary izay foana ilay ilaina fitandremana. Inoana mihitsy fa mety ho zavatra hafa no noheverin’ireo mpamily voajono ho azo tany amin-drakalakely kanjo moa izy ireo indray no nahazoana zavatra hafa ary saika hanaraka hatramin’ny aina mihitsy aza. Mila mailo e.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici