Niharan’ny fitsaram-bahoaka ity lehilahy iray nikasa ny hanao fanafihana teny Ankadimbahoaka ka tratran’ny polisy, raha teo ampampihorohoroana tamin’ny basy, omaly maraina. Rehefa voasambotra izy io, ka nojerena ilay basy, ka teo nahitana fa basy kilalao ity nentiny nampitahorana ny olona. Toeram-pivarotana iray no saika lasibatra tamin’ny fampiasana izany basy kilalao izany. Nisy nahatsikaritra ny fihetsik’ity lehilahy ity namoaka ilay basy, ka avy dia nampandre ny polisy avy hatrany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana ka tratra izy io. Teo am-pitondranan’ny polisy azy no niharan’ny daroka izy io, ka nangatahan’ny olona ny hanehoana ny endriny sady mbola nikasa hanao fitsaram-bahoaka ny olona. Soa ihany fa teo ny polisy raha tsy izany, hafahafa ny zava-niseho. Nentina nofotorana avy hatrany ilay jiolahy. Tato ho ato, mirongatra izay tsy izy ny asan-jiolahy, ny fanendahana arahana famonoana. Ny toy itony no manararaotra ny fahosan’ny olona ka tsy mahagaga raha misy tratra, mety iafara amin’izay fitsaram-bahoaka izay. Ny mpitandro filaminana kosa miezaka amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Tsy sanatria hanao fihetsika mety hamono ny olona indray tahaka ilay polisy teny Ambanidia. Ity farany moa efa nandraisan’ny tompon’andraikitra fepetra. Ady amin’ny asan-jiolahy no andrasan’ny rehetra amin’ny mpitandro filaminana, ary mila vokatra haingana izy ireo.
Yv Sam