Nivadika ho jiolahy indray ny mpianatra ! Tovolahy iray no tra-tehaky ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy, teo am-pamakiana « cash point » teny amin’iny faritra Ankadimbahoaka iny. Tovolahy mbola mpianatra izy ity, hoy ny fanazavana azo amin’ny pôlisy ary mipetraka eny amin’ny Cité eny Ambohipo.
Amin’ny folo ora sy sasany maraina, ny andron’ny talata teo. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny Ankadimbahoaka teny. Irony toerana fandefasana sy fandraisana vola irony na « cash point » indray no lasibatra. Raha ny fampitam-baovao azo dia tovolahy iray ihany no nahavita izany asa ratsy izany, tamin’ny alalan’ny antsy lava teny aminy. Araka ny fanazavana azo tokoa mantsy dia ny antso vonjy nataon’ireo tomponandraikitra tao amin’ity toerana ity no nanaitra ireo pôlisy nanao fisafoana teny amin’iny faritra iny, tamin’io fotoana io. Nandray ny andraikiny ary nandeha avy hatrany tany amin’ny toerana niavian’izany antso vonjy izany ireto pôlisy. Tamin’io fotoana io no mbola nahitàn’izy ireo an’ity tovolahy iray, teo am-panambanana antsy nanendaka ireo tao anatin’ity « cash point ». Niditra an-tsehatra avy hatrany izy ireo ary tsy afa-nandositra intsony ity mpanafika. Soa ihany, tonga ara-potoana ireto pôlisy ary tsy nahavita ny asa ratsiny ilay olon-dratsy. Ity farany moa dia nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy hohadihadiana. Ireo lasibatra ihany koa moa tetsy andanin’izany, nametraka fitoriana avy hatrany. Tamin’ny famotorana, hoy ny vaovao no nahafantarana fa mpianatra mipetraka eny amin’iny faritra Ambohipo iny ranamana. Mbola voatazona natao andrimaso any amin’ny biraon’ny kaomisaria moa ity mpianatra jiolahy ity ary mbola manohy ny famotorana azy ireo tomponandraikitra.
m.L