- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Mpitandro filaminana iray maty voadonan’ny fiara

Ankadimbahoaka : Mpitandro filaminana iray maty voadonan’ny fiara

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona, teny amin’iny faritra Ankadimbahoaka iny, ny talata alina lasa teo. Mpitandro filaminana iray, miasa etsy Andrefan’Ambohijanahary no namoy ny ainy, rehefa avy nodomina fiara teny an-toerana. Tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any no nisehoan’ny loza. Naratra mafy tokoa ity mpitandro ny filaminana ity, ary voa teo amin’ny lohany. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana izy, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny hôpitaly, dia toa hoe namofompofona alikaola ity mpitandro filaminana ity, ary antony iray isan’ny nahafaty azy. Fa mbola resaka lozam-pifamoivoizana ihany, mpitandro filaminana iray ihany koa no namoy ny ainy, tany Fihaonana, Mahitsy, omaly vao maraina. Iray hafa naratra mafy. Nifandona tamina taxi-brousse ny môtô nentin’izy roalahy ireto, tamin’io fotoana io. Tsy fantatra mazava hatreto izay antony nahatonga ny loza. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana izy ireo, saingy tsy tana intsony ny ain’ilay nitondra ny môtô. Efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici