Rakotonirina Alain no tena anarany. 45 taona. Lalà no ahafantaran’ny mpiara-monina azy. Nahavita heloka bevava io farany ny alahady lasa teo rehefa namono nahafaty ny zaodahiny antsoina hoe Rafanomezantsoa Arsène tamin’ny antsy. Ito farany indray dia 25 taona ary raim-pianakaviana. “Mbola tena kely ny zanany” raha araka ny fanazavan’ny mpivaro-boky etsy Ambohijatovo izay saika isan’andro no niara-niaina taminy. Miasa eo an-toerana ihany koa mantsy i Rinah, manampy ny havany mitazona fivarotam-boky eo Ambohijatovo. Raha ny fanazavan’ny havany dia nisy disadisa teo amin’ny mpivady ny alahady teo. Nokasiham-badiny –tànana Rakotonirina Alaina na Lalà ary hitan-dRinah izany. ilay ramatoa anefa dia zoky iraitampo amin’ito farany. “Niditra an-tsehatra avy hatrany izy niezaka nandamina. Mainka koa anefa niakatr’afo i Lalà ary nivoaka ny trano. Raha noheverina fa nilamina ny raharaha teo, hay niverina avy any ilay iray ary nanatsatoka antsy avy hatrany” hoy ny fanazavan’ny havan’ny maty. Teo ihany dia lavo tamin’ny tany i Rinah. Natao izay mety ho fanavotana ny ainy, saingy tsy tafaverina intsony izany. Teo anatrehan’izany rehetra izany dia nitsoaka avy hatrany ilay namono azy ary tsy hita hatramin’ny omaly. Efa mipetraka any amin’ny mpitandro filaminana ankehitriny ny fitoriana momba an-dRakotonirina Alain. Efa mandeha ny fikarohana azy ary efa nampitaina teny amin’ny mpanao famotorana ihany koa ny sariny, raha araka ny fanazavana hatrany. Raha ny fantatra dia ny alarobia teo no naterina am-pasan-drazany ny maty. Mandeha ny fikarohana…
D.R