- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Narodana ny tranon’ny olona 150

Ankadimbahoaka : Narodana ny tranon’ny olona 150

Narefotry ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ny baomba mandatsa-dranomaso rehefa nanomboka nisahotaka ireo olona teo an-toerana. Ny antony dia noho ny fandravàna trano miisa 15 teo Ankadimbahoaka. Tany izay efa niadiana teny anivon’ny fitsarana ary narahin’ny minisiteran’ny fitsinjaram-pahefana maso hatramin’ny ela. Ny niafarany anefa dia nisy fanapahan-kevitra hanesorana ireo olona nanamaintimolaly ny tany. Hatreto dia fanitàrana ny làlana no antony ôfisialy nahatonga ny fandrodanana. Toe-javatra izay notsipahin’ny mponina, satria amin’izy ireo dia novidian’ny karàna ny tany ary fomba entina hanakonana an’izany fotsiny ny hoe fanitarana. Efa an-taonany no nisian’ny disadisa teo anivon’ilay orinasa karàna izay notondroin’ny olona ho tompon’antoka amin’ity ady tany ity sy ireo olona izay efa nanamaintimolaly ny tany hatramin’ny ela. Maro ny fikambanana efa niady ho an’ny olona ka nanao izay fomba rehetra hanintomana ny sain’ny tompon’andraiki-panjakana rehetra, indrindra tamin’ny andron’ny tetezamita, ny amin’ny hijerena akaiky ity raharaha ity, izay amin’izy ireo dia mamofona kolikoly avo lenta. Toa nahomby ihany izany satria nihantona tokoa ny fandrodanana. Omaly, vao maraina dia efa nisahotaka teny Ankadimbahoaka. Ny antony dia ny fisian’ny mpitandro ny filaminana maro tonga teny an-toerana ary efa niambina ny manodidina. Ny tapak’andro hariva no nigadona teny ny vadin-tany ary dia natomboka tamin’izany ny fandrodanana. Tao ny ranomaso, tao ny kikiaka. Tsy nanakana ny bulldozer namotika ireo trano miisa 15 anefa izany. Raha ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny mponina dia eo amin’ny 150 eo no tsy manan-kialofana vokatr’ity asa fandravana omaly ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser