- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Tsy hisy fandravana trano

Ankadimbahoaka : Tsy hisy fandravana trano

Efa niroso tamim-pilaminana, ny fanamboarana ny lalàna vaovao mampitohy an’ ny Fasan’ny Karana sy Ankadimbahoaka , ny Kaominin’Antananarivo omaly maraina. Nisy moa ny fampahafantarana mazava tamin’ny mponina eny an-toerana, ny mahakasika ity drafitrasa ity. Araka ny nambaran’ireo mpiasan’ny Kaominina, dia isan’ny tanjona amin’izao ny fampihenana ny fitohanan’ny fifamoivoizana, sady mba ho fanatsaràna ny tanàna ihany koa. Tsy tokony hisy hampiahiahy ny vahoaka hoy ireto farany, satria tsy hisy trano hazera amin’iny faritra iny. Amin’ny ankapobeny dia efa milamina ny eny Ankadimbahoaka. Na izany na tsy izany aza, dia mbola hita teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana omaly.

Ornella A. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser