- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Tsy velona ny môtôn’ilay mpandenaka

Ankadimbahoaka : Tsy velona ny môtôn’ilay mpandenaka

mpanendakaSaika manerana ny faritra rehetra eto Andrenivohitra no andrenesana asa fanendahana ataon’ny jiolahy isan-karazany. Mahita faisana avokoa ny mpandeha an-tongotra, ny mpandeha taxi sy taxi-be ary ny mpivarotra. Tamin’ny talata lasa teo, lehilahy iray nitondra môtô no nanendaka olona teny Ankadimbahoaka. Teo amin’ny fotoana nisintonany paoketran’olona anefa no tsy afaka niala ny anao lahy. Alohan’ny hanaovany ny asa ratsiny, tiliany ny fiara misy zavatra azo angalarina. Tamin’io andro voalaza etsy ambony io anefa, tsy velona ny môtô nentiny. Raikitra ny antsoantson’ny olona. Nisy polisy niasa tsy lavitra teo. Io no nisambotra azy nampian’ny fokonolona. Nentina tany amin’ny birao nohadihadiana ny anao lahy ary voalaza fa niaiky ny zavatra nataony.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana ity mpanao sinto-mahery ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser