- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Valo lahy nikasa hanafika orinasa, voasambotry ny polisy

Ankadimbahoaka : Valo lahy nikasa hanafika orinasa, voasambotry ny polisy

Orinasa iray tetsy Ankadimbahoaka no saika lasibatry ny andian-jiolahy omaly vao maraim-be. Soa ihany tonga aloha ny polisy, rehefa nahazo fampandrenesana haingana ka tonga aloha teny an-toerana. Noraisim-potsiny ireo olon-dratsy niisa valo.

Tokony ho tamin’ny roa ora maraina teo no nahazo antso ny polisy avy eo anivon’ny kaomisarian’Atsimondrano. « Misy andian-jiolahy mianika tamboho sy manapaka ireo fanalahidy ka mamaky ny orinasa iray eny Ankadimbahoaka ». Vao naheno izany ireo polisy avy hatrany dia nidina teny an-toerana tsy nisy hatak’andro. Tra-tehaka ambodiomby teo am-pamakiana ilay orinasa tokoa ireo olon-dratsy. « Lehilahy 8 no voasambotra tamin’izany, 37 taona ny zokiny indrindra ary 22 taona ny zandriny » hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy. Tamin’ny fotoana nahatrarana azy ireo moa dia voalaza fa tratra teny amin’izy ireo avokoa ny fitaovana rehetra saika nampiasain’izy ireo hanaovana izany asa ratsy izany. Marihana fa tsy nahavita hatramin’ny farany ny zavatra nokasain’izy ireo atao moa ireto olon-dratsy ireto noho hafainganan’ny fahatongavan’ireo polisy teny an-toerana. Taorian’ny fisamborana dia nentina avy hatrany nihazo ny kaomisaria ireto valo lahy ireto. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ireo. Mbola mitohy araka izany ny fanadihadiana lalina ataon’ireo polisy mahakasika ity tranga ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici