Nijojojo tokoa ny orana tao anatin’ny andro vitsy nifanesy izay. Ny alarobia hariva teo aza, narahina kotroka sy tselatra mihitsy izany. Tao anatin’iny oram-be nikija iny ary, ankilahy kely iray, manodidina ny 14 taona teo no maty nilahatsam-potaka teny amin’iny faritra Ankadivory, Ankadinandriana iny. Araka ny fanazavana azo dia teny an-dalam-podiana ity ankizilahy kely ity no sendra ilay oram-be. Manodidina ny tamin’ny 5 ora hariva teo ho eo, nirefotra indray ny varatra, ary niantefa nivantana teny aminy. Nipitika lavitra mihitsy izy ary naratra mafy sy nitsirara tamin’ny tany. Nitangorona avy hatrany ireo nahita ity zava-doza ity ary nifanome tanana namonjy ity tovolahy kely ity, nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Indrisy anefa fa nony tonga tany amin’ny hôpitaly dia tsy tana intsony ny ainy.
m.L