- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAnkadinandriana : Hain-trano namoizana olona iray

Ankadinandriana : Hain-trano namoizana olona iray

Ny alin’ny  zoma lasa teo no may ny trano iray misy rihana tetsy Ankadinandriana, olona telo izy ireo no miara-monina , izy mivady lehibe sy ny zanany vavy iray sivy amby roapolo taona, nandrehitra afo ity tovovavy ary tsy hay marina ny fihetsika nataony fa izany no nitarika ny fahamaizana. Marihana fa tsy salama saina loatra ity tovovavy ity, somary nitsoka ny rivotra koa dia nalaky tokoa ny fiitatry ny afo nanenika ny trano, izy mivady ray aman-dreny moa nalaky tafavoaka ihany, fa ity vehivavy no maty tao an-trano tao.

Sempotry ny setroka vokatry ny hazon-drihana nirehitra  no nahafaty ity tovovavy ity,araka ny voalaza tetsy ambony, noho  ny tsy dia fahasalaman’ ny sainy dia tsy nanan-tsaina loatra ny hivoaka tao izy na ny tena marina kokoa tsy afaka ny hitady tetika handosirana ny afo, satria rehefa maty ny afo ka nesoriana teo izy dia nahitana fahamaizana ny tongony havia. Tonga teny an-toerana ny dokotera sy ny zandary teny nanao ny fitsirihana ny razana, ka namoaka ny tena nahafaty ity tovovavy ity, izy mivady ray sy reniny kosa dia avotra soa aman-tsara fa ny entana no betsaka kilan’ny afo. Amin’ny toejavatra tahaka izao, tsy dia tsara loatra ny mamela irery na mampanao raharaha izay mety hitera-doza olona izay manana tsy fahasalamana ara-tsaina.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser