- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadinandriana : lehilahy maty namono tena

Ankadinandriana : lehilahy maty namono tena

Ny sabotsy maraina tao no nisy nahita ny fatin’ity lehilahy iray izay manodidina ny 22 taona eo ho eo . Olona nandalo no nahita ny razana teny an-tampon-tendrombohitra, izay voahodidina tavoahangina DDT izay efa tsy nisy na inona na inona intsony. Avy hatrany dia niantso ny teny an-tanàna ity nahita ka ireto farany  indray no niantso dokotera hizaha ny razana. Tonga teny an-toerana ary ny mpitsabo ary nanao ny fizahana, hita soritra tamin’ny razana moa ny fivoahan’ny rà tamin’ny masony.

Voamarina ary fa dia nosotroin’ilay tovolahy ilay DDT ka nitarika ny fahafatesany. Nisy taratasy ihany koa moa tao am-paosin’ity farany ka nisy soratra hoe: “noho ny fanaovana tsinontsinona ahy no nahatonga izao”.

Tsikaritra araka izany fa nanana olana teo amin’ny fianakaviany ity tovolahy ity ka nitarika tamin’ny famoizam-po, ka izao niafara tamin’ny fahafatesany izao. Efa eo am-pelatanan’ny borigadin’ny zandary any Manandriana moa ny raharaha amin’izao ka dia ho hita eo izay tena ho marina momba azy.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser