Ity tokoa no tena antsoina hoe jiolahy. Lehilahy iray 27 taona no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Tanjombato, Antananarivo Atsimondrano, teny Ankadinandriana, boriborintany faha-3, ny sabotsy 23 septambra teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina noho ny resaka halatra môtô. Io alina io dia tonga nampandre ny polisy ao Tanjombato ny mpitandro ny filaminana iray fa nisy nangalatra ny môtô izay azy ary nipetraka tao an-tokotaniny tao Ankaraobato, Antananarivo Atsimondrano. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy nizaha ny zava-nisy ka rehefa natao ny fanarahan-dia dia tratra teny Ankadinandriana natosik’ity olon-dratsy ity ilay môtô io alina io tamin’ny ora voatondro etsy ambony. Rehefa natao ny fisavana ity lehilahy ity dia mbola nahitana rongony iray fonosana ihany koa tany aminy. Rehefa voaporofo fa tena môtô halatra tokoa ilay natosiny dia nosamborina avy hatrany ranamana ary nentina teny amin’ny kaomisaria Tanjombato hanaovana fanadihadiana. Omaly no natolotra ny fitsarana ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny tenany mandram-piandry ny fotoam-pitsarana azy.
T.M