Nanjaka tokoa ny asan-jiolahy teto an-drenivohitra tamin’iny herinandro mialoha ny fety iny. Ary dia mbola nitohy izany, ny alin’ny 25 jona lasa teo. Araka ny fitantaran’ireo mponina eny amin’iny faritra Ankadindramamy iny dia nisy andian’olona, manodidina ny 20 lahy eo, mampihorohoro ireo olona avy manao harendrina, na tratra hariva mamonjy fodiana. Tsy vitan’ny mampihorohoro fotsiny anefa fa tena manendaka sy mamono mihitsy izy ireo, raha ny fitarainan’ireo olona ihany. Ny alin’ny 25 jona teo tokoa mantsy dia olona roa no fantatra fa lasibatr’izy ireo. Tokony ho tany ho any amin’ny 10 ora alina tany ho any, tovolahy kely iray avy nijery afomanga no tojo azy ireo. Nambaran’ireo nanatri-maso fa nanapoahan’izy ireo petara teo anoloany, ary avy hatrany dia nifandrombahan’izy rehetra ity tovolahy ity. Lasa avokoa ny rehetra tany aminy, ary tsy vitan’izay fa mbola naratra mafy ihany koa izy, raha ny vaovao hatrany. Fa tamin’iny alina ihany koa dia vehivavy iray ihany koa no mbola sendra an’izy ireo, teny amin’iny faritra iny ihany. Na dia lasan’ireto olon-dratsy ireto avokoa aza ny finday sy ny vola tany aminy dia afaka nitsoaka ihany ity vehivavy ity. Tsy mijanona amin’ny toerana iray ireo andian’olon-dratsy ireo, raha ny filazan’ireo mponina hatrany, fa mivezivezy ary mikendry ireo olona tratra hariva. Asa raha izany tokoa ilay hoe, mifety ny olona dia mba mifety ihany koa ireo olon-dratsy. Fotoana iray mahabetsaka ny olona azo ampiharana ny asa ratsy tokoa mantsy ny andro fety. Mitangorona anaty andro maizina, na mandao ny tokantranony, handeha hijery fety.
m.L