- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadindramamy : Ankizy roa maty, may kila tao anaty doro trano

Ankadindramamy : Ankizy roa maty, may kila tao anaty doro trano

Hain-trano mahatsiravina no niseho tetsy Ankadindramamy, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Trano roa mifanila, izay vita tamin’ny hazo sy biriky no indray levon’ny afo tao anatin’ny fotoana fohy monja. Aina roa tsy manan-tsiny no nafoy tao anatin’izany : ankizikely telo taona sy ny zokiny 16 taona. Raha ny fantatra, dia tsy tao an-toerana ny ray aman-drenin’ireto ankizy ireto tamin’io fotoana io. Tsy nisy afa-tsy zaza araka izany tao an-trano. Toa niezaka namonjy nivoaka ihany ilay zokiny 16 taona tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza, saingy tsy afaka, hoy hatrany ireo mponina. Ilay zandriny moa mazava ho azy fa vao telo taona monja dia tsy afaka tao anatin’ny fandriky ny afo mihitsy. Efa samy tapi-mandry avokoa ny rehetra tamin’io fotoana io. Vao nisy nahita anefa ny setroka dia nikotaba tampoka ny rehetra. Tao anatin’ny minitra vitsy monja, dia efa afo nijoalajoala no hita. Samy niezaka namonjy sy namono izay vitany teo ireo fokonolona, saingy toa vao mainka nihamafy izany. Nisy tamin’izy ireo moa no niezaka niantso ny mpamonjy voina, izay tonga teny an-toerana fotoana vitsy taorian’ny nitrangan’ny loza. Somary nanano  sarotra ihany koa ny fidiran’ireto miaramilan’ny afo an-tsehatra, noho ny haterin’ny lalana. Hany ka ora maromaro vao voafehy tanteraka izany fahamaizana izany, nandevona tanteraka ireo trano roa ireo niaraka tamin’ny entana, ary indrisy fa niaraka tamin’ireto tsy manan-tsiny ireto, araka ny filazan’ireo mponina hatrany. Tsy fantatra hatreto izay tena nahatonga ny afo. Nahagaga ny maro ihany koa ny antony tsy nahafahan’ireo ankizy ireo nivoaka. Miahiahy fatratra ho doro trano natao fanahy   iniana ireo teny an-toerana araka izany. Kanefa moa ny fanadihadiana ataon’ireo polisy tonga teny an-toerana ihany no azo anamarinana na tsia izany ahiahin’ny rehetra izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici