- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadindramamy : Fatin'olona efa simba hita tao anaty lava-piringa

Ankadindramamy : Fatin’olona efa simba hita tao anaty lava-piringa

Ny fofona izay tsy azo niainana intsony no nanaitra ny olona. Nozahana ny zava-nisy ary teo no nahitàna razana efa potika. Tao anaty lava-piringa no nanafenana azy. Niezaka ny olona, omaly, ny nanala izany tao saingy tsy tafavoaka. Voatery niantso ny mpamonjy voina izay nanao ny fomba rehetra namoahana ny razana tao anatin’ilay lava-piringa. Fanindroany izany izao tamin’ity herinandro ity no nahitàna razana nafenina. Samy efa potika avokoa izy ireo ary namoaka fofona, vao hita. Ny voalohany dia tetsy Anosy, tao anatin’ny lalan-drano no nafenina. Nandritry ny fanadiovana an’izany no nahitàna ilay razana izay efa potika tanteraka. Ireo tranga roa izay mitovitovy ireo no manaporofo fa mirongatra ny heloka bevava eto an-drenivohitra ary miova hatrany ny fomba fisehony. Miteraka tsy filaminan-tsaina hatrany izany ary mazava hoazy fa misy akony amin’ny fampandrosoana. Mila mailo hatrany ny ambaratonga rehetra ary miainga amin’ny fokontany izany.
D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici