Nisehoana fanafihan-jiolahy ny teny amin’ny faritra Ankadindramamy iny, mbola ny alin’ny zoma lasa teo ihany. Garazy iray teny an-toerana no saika hovakian’ireo olon-dratsy tamin’izany. Nisy telo izy ireo, ka ny iray niandriandry teny ivelany, raha niezaka nanapitsoka ny varavarana kosa ny roalahy. Voalazan’ireo olona teny an-toerana, fa môtô sy kojakojana môtô ary fiara isan-karazany no saika nangalaran’ireo jiolahy ireto. Soa ihany anefa fa henon’ny tompon-trano ny asa ratsin-dry zalahy, ka avy hatrany itsy voalohany dia niantso mpitandro ny filaminana. Tratra teo am-pamoahana an’ilay môtô mihitsy ny jiolahy roa, raha rifatra nitsoaka nandositra ilay niandriandry tany ivelan’ny trano. Niezaka ny nanenjika ihany ireto mpitandro ny filaminana, saingy tsy tafaporitsaka tanaty elakelan-trano ity olon-dratsy ity. Raha ny fantatra, efa nisy ny kojakoja sasantsasany tafavoakan’izy ireo talohan’io môtô io. Nentina avy hatrany teny Ambohimangakely ireto jiolahy tratra ireto, nohadihadiana ary hatolotra ny fitsarana anio.
m.L