- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAnkadindramamy : Jiolahy telo avy nanafika voasambotry ny polisy, ny iray voatifitra

Ankadindramamy : Jiolahy telo avy nanafika voasambotry ny polisy, ny iray voatifitra

Sendra ny mpaka kitay ! Izy ireo handeha hitsoaka, avy nahavita ny asa ratsiny iny mihitsy no nifanehatra tamin’ireo polisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, izay nahazo antso ara-potoana ihany koa. Raikitra ny fifampitifirana, nisy voan’ny bala, nisy voasambotra ary nisy ireo tafatsoaka … Zava-nitranga ny marainan’ny sabotsy lasa teo, tetsy Ankadindramamy. Araka ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny an-toerana tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any. Jiolahy enina izy ireo no nanafika tokatrano iray teny an-toerana. Ao anatin’ny hetsika, izay entina hiadiana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana moa dia misy hatrany ireo polisy manao fisafoana tsy tapaka amin’iny faritra iny. Vetivety araka izany izy ireo dia nigadona teny an-toerana, rehefa nisy ny antso vonjy nataon’ny manodidina.  « Nifanehitra tamin’ireto jiolahy ireto izay niezaka nitsoaka ka raikitra ny fifamaliana tifitra. Voatifitra tamin’ny lamosiny ny iray tamin’ireo jiolahy ary nentin’ny namany nitsoaka. Natao ny fisafoana ny manodidina ka tra-tehaka tamin’izany ny jiolahy telo, ny iray, ilay voatifitra teo amin’ny lamosiny ary ny roa izay nibata nanampy azy hitsoaka ». Tamin’ny fotoana nahatratrarana azy ireto moa dia voalaza fa mbola hita teny aminy ny ampahan’ny entana nangalarin’izy ireo tao amin’ilay tokantrano, izay efa naverina tamin’ny tompony moa izany. Mbola mitohy ny fanadihadiana sy fikarohana ireo namany, hoy hatrany ny vaovao. Izy telo lahy kosa, rehefa avy nomena ny fitsaboana sahaza azy ilay naratra dia nentina nofotorana tany amin’ny biraon’ny kaomisaria.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici