- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAnkadindramamy : Lasan’ny jiolahy mitam-basy ny fiaran’ilay sinoa

Ankadindramamy : Lasan’ny jiolahy mitam-basy ny fiaran’ilay sinoa

Efa teo anoloan’ny tranony izy ary miandry ny vavahady hisokatra no nisy lehilahy nanatona tampoka ary nanambana basy azy. Raha ny fanazavana azo momba ity tranga ity ,dia nesorin’ireo olon-dratsy an-keriny tao anaty fiara ilay sinoa. Tsy nisy na inona na inona azo ankoatra ny fiara izay nentiny. Mazava loatra fa io izany no nataon’ireo mpanafika lasibatra. Fiara fitaterana entana, karazan’irony mazda irony, izy io. Fotoana fohy monja no nisehoan’ity fanafihana ity. Raha ny tsikaritra izany dia isan’ny manintona ny mpangalatra ny fiara fitaterana entana. Raha tsiahivina mantsy dia toa mifandraika amin’ny halatra fiara ihany koa no anton’ny nitifiran’ny jiolahy  ilay sinoa iray tetsy Behoririka.  Tsikaritra fa nihamafy ny fisavana amin’ny alina izay ataon’ny mpitandro ny filaminana. Ny zavatra voamarika anefa dia toa lasa alohan’ny fisian’ny barazy isan-karazany indray ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato, fa tsy amin’ny alim-be intsony. Mila hamboarina kely indray izany ny paikady ,satria efa hitan’ny jiolahy ny hialana amin’ny mpitandro ny filaminana. Samy fetsy , toa ny saka sy voalavo…

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser