- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadindramamy : Lasan’ny jiolahy ny 20 tapitrisa ariary tao anaty villa

Ankadindramamy : Lasan’ny jiolahy ny 20 tapitrisa ariary tao anaty villa

Toa efa fantatr’ireo olon-dratsy mihitsy ny misy ny vola ankehitriny. Tao amin’ny tokantrano iray tetsy Ankadindramamy izy ireo no nigadona ary niditra avy eo amin’ny varavaran-kelin’ny trano fisainana. Efa-dahy nitam-basy no tafiditra tao amin’ilay toerana ary nanambana ireo fitaovam-piadiana tamin’ny tompon-trano. Tsy nisy sahy namaly ny olona nanoloana ny basy. Nasaina namoaka ny vola, ny firavaka volamena, ny kojakoja elektronika maro toy ny finday sy Ipad. Izay rehetra lafolafo vidy sy mora bataina dia tsy nisy navelan’ireo olon-dratsy avokoa. Vetivety foana dia vita ny fanafihana. Tsy afaka nanao na inona na inona mihitsy ilay fianakaviana satria na ny finday tokony hiantsoana ny mpitandro ny filaminana aza dia lasan’ny jiolahy ihany koa. Ny olona teo amin’ny manodidina no nampandrenesina sy nampahafantarana ny zava-misy ary ireo no niantso ny mpitandro ny filaminana. Vao mangiran-dratsy, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany maraina, no nitranga ity fanafihana ity. Tranga tsy fahita firy ny fanafihana vao maraina toy izao satria na ny mpitandro ny filaminana aza dia tsy dia betsaka intsony ny manao fisafoana amin’io fotoana io. Asa, mety ho izay koa no tsikaritry ny olon-dratsy ary nahatonga azy ireo hanatontosa ny fanafihana any amin’ny…vao maneno akoho. Mandinika ny jiolahy, manam-baovao hatrany izy ireo satria manana mpitsikilo ary efa voakajy ny fidinany an-tsehatra…

 

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici