
Efa nampoizina ihany ! Na dia feno mpitandro filaminana aza ny lalana omaly taorian’ny fikorontanana, teo amin’ny reska laza adina tamin’ny fanadinam-panjakana bakalorea dia mbola nahita hirika hanaovana ny asa ratsiny ireo mpanendaka. Ny harivan’ny alarobia teo, tetsy Ankadindramamy, tovovavy iray, mpiadina handeha hamonjy fodiana no lasibatry ny mpanendaka. Raha ny angom-baovao azo dia lasan’ireo tsy mataho-tody ny kitapony, nisy ny « convocation ». Lasan’izy ireo ihany koa ny finday teny aminy. Teny amin’ny Alarobia no nisy ny ivon-toerana nanalàn’ity tovovavy voaendaka ity fanadinana ary handeha hamonjy fodiana, eny Amoronakona, izy no izao niharan’ny fanendahana izao. Niaraha-mahalala ny fahataràna nitranga teo amin’ny firavàna. Izy rahateo ihany koa, raha ny angom-baovao hatrany, tsy nisy nitsena, ka niezaka ny hody irery amin’ny lalana maizina. Ireo olona teny an-toerana, nahita azy, efa tsy dia tonga saina intsony sy tsy nahetsika, vonto-tomany, no nanampy ity tovovavy ity. Nisy sasany tamin’ireo fokonolona ihany no niezaka nanenjika ilay olon-dratsy, saingy efa tsy tazana intsony moa ity farany. Tafaporitsaka tamin’alalan’ireo elakelan-trano marobe teny an-toerana nampian’ny haizina.
Torana
Niaraha-mahalala tokoa ny zava-nisy nitranga ny alarobia teo, nahakasika iny fanakorontanana fanadinam-panjakana iny. Toe-javatra izay niteraka savorovoro tamin’ireo mpiadina maro izany. Ankoatry ny fahataran’ny fanombohan’ny fanadinana dia tsy maintsy nataon’ireo tompon’andraikitra ny fanoloana ny laza adina tamin’ny ora farany. Niteraka tahotra sy dona mafy teo amin’ireo mpiadina efa nanomboka an’ilay laza adina voalohany izany. Toy ny nitranga tao amin’ny ivon-toeram-panadinana iray tao Toliara. Mpianatra maromaro mantsy no voalaza fa tsy nanaiky ny hanoloana ilay laza adina. Nisy sasany tamin’izy ireo mihitsy no safotra vokatr’izay. Voatery nifamonjena sy navoaka ny efitra. Na izany na tsy izany aza anefa dia natomboka ihany ny fanadinana na dia efa hariva aza. Toe-javatra izay niarahan’ireo mpiadina fanadinana bakalorea natrehina ny andron’ny alarobia teo, nanerana ny Nosy.
Famotorana
Mahakasika izay fivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana izay dia fantatra fa efa tsy mandry andro tsy mandry alina ireo tompon’andraikitry ny filaminana, manao ny fanadihadiana hikarohana ireo izay nahavanon-doza, niteraka ity fanakorontana fanadinam-panjakana ity. Miara-miasa amin’izany moa ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena sy ny pôlisim-pirenena. Raha ny ny heno dia efa misy olona maromaro nosamborina sy nohenoina any ho any, saingy tsy mbola fantatra mazava hoe taiza sy aiza izy ireo amin’izao. « Efa ao anatin’ny fanadihadiana lalina izahay amin’izao ka tsy mbola afaka miteny » hoy ny fanazavana nentin’ireo tompon’andraikitry ambony eo anivon’ny fitandroana ny filaminana maromaro nantsoina.
m.L