- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadindramamy : Mpivarotra dimy notetezin’ny jiolahy mitam-basy

Ankadindramamy : Mpivarotra dimy notetezin’ny jiolahy mitam-basy

Nirefodrefotra ny basin’ny jiolahy. (sary tahiry)
Nirefodrefotra ny basin’ny jiolahy. (sary tahiry)

Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fanafihan’ny jiolahy ny tanàna. Eny, ny tanàna iray manontolo mihitsy no notetezin’ity andian-jiolahy ity ny alin’ny asabotsy teo. Ireo mpivarotra no tena nataon’ireo lasibatra nandritra ity asaratsy ity. Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany teo izy ireo no nanomboka nanao ny fanafihana. Enina izy ireo ka vehivavy ny iray, raha araka ny fanamarihan’ireo olona voatafika. Nisy hatramin’ny mpivarotra mofo sy kafe aza tao anatin’ireo voaroba tamin’ny basy kalachnikov sy “pistolet automatique” na poleta. Vola an-tapitrisany maro no lasa tao anatin’ity “fitetezam-paritra » nataon’ny jiolahy ity. Tao ny mpivarotra lasopy, tao ny épicerie, tao ny mpivarotra enta-madinika, ny mpivarotra kafé sy mofo ary koa ny mpivarokena. Nanapoaka basy izy ireo nandritr’izany rehetra izany mba hentina hampitahorana sy hampihorohoroana ny mpiara-monina. Nisy nahavita nampandre ny mpitandro ny filaminana ihany teo an-toerana. Raikitra ny fifanenjehana hatrany anaty elakelan-trano rehetra tany ,saingy vetivety foana dia nanjavona ireo olon-dratsy izay heverina fa efa mahay toa ny paosiny ireo làlana fitsoahana rehetra.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser